You are here: home > Vetso

SARA-TIANA! - Teboka Telo

Azo vakiana?

O! Ry Tiako, ry Lalaiko :
Tsy eto anilako ianao
ka nihary
Sarisary
Hitovy endrika aminao,
Mba hahazoako fitokiana
F'anilako eo ianao ry Tiana!

Iny masonao bary
Manganohano fibaliaka
Dia narindrako
Indrindra
Ho toy ny volana sariaka,...
Sy nataoko ho mahavarina
Ho toy ny endrikao ry Tiana!

Hatramin'ny fijoronao
Sy fijerinao ahy
Dia natodiko
Hitovy,
Hambabo indray ny fanahy!...
Ka tsy manam-panahiana aho
Fa tena ianao io ry Tiana!

Raha azoko nataoko sary
'Reo bitsiky ny angotinao,
Ny tsongotsongo,
Hanihany,...
Dia nataoko tsotra izao!
Saingy vato am-body riana
'Ty 'zaho miandry anao ry Tiana!

Dia sary no mba manoloana :
Sary iray manolokolo
Na ny saiko,
Na ny aiko,...
Fa ny hany tsy voasolo
Toy 'reo zava-mahaliana
Dia ilay fitiavanao ry Tiana!

Teboka Telo

Sokajy : Hanina