SIDA (faharavana) (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana isika no toa tsy manaiky,
Fa mby efa akaiky
Ny andro hiavian'ty fahasimbana
Sy faharavana?
Mandindona antsika isan'andro, isan'ora
Ary toa manakora,
Ty aretin-dratsy sy tena mandoza,
Mpanao tanam-poza!

Io 'lay aretina tsy ananan'ody
Fa dia mampody
Amin'ny mandrakizay! 'Zay tia sangisangy
Lilahy, manangy,...
Dia miomana ary koa mitandrema
Fa sao dia mba leman'
Ity ranon'oran'itony SIDA
Hatrany anaty fanahy!

Tsy mba mitsitsy raha toa ka mahazo
F'ataony malazo;
Viravirainy sy akofokofony
Hatramin'ny solofony...
Ka lany tamingana sy kizo fara!
Ka tsy hanan'anjara
Amin'ny fiainana ho avy rehetra aoriana
Ny fianankaviana???

Tandremo!

Teboka Telo (Ismaƫl Edvin)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1059 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 04/08/2014 06:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146