SINA! (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotra ho fanaovam-beloma An'i Mopera Remi Ralibera
Noho ny fodiamandriny ny Zoma 21 Novambra 2008

**************************************
Nodimandry ianao, 'lay Ray, ka gina ny alina ary sina;
Mangasihasy ireto zaza, mitoloko am-pony ao!...
Ireo tafa sy ny dinika, ... Tsy hadino fa injao
Mamelovelo sy manako ao an'efitra mangina!

Mivangongo izato rahona fa misaona ny ao anaty!
Ny vahoaka tsy tafandry, ary ianao tsy tafafoha,...
Inoako anefa, any andro, fa ny Tompo Ray Tsitoha
Hampihaona antsika indray ary hanangana ny maty.

K'ireny tafasiry ireny tsy ho raraka aman-tany
Fa hahavanona ho lakana ny hazo tamin'ny tany tsara!
Ho toky, andry mankadiry, lovain-janaka amam-para!

Ka ny vavakay nilaozanao irery sisa anaty akany :
Tahio izy re, ry Tompo, raiso koa ho Olon-tsambatra
Fa izy no 'lay mpampiray, izy no 'lay mpampitambatra.

Teboka Telo
--------
Rohy:
1098 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 24/08/2017 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101