TSY MANDRY NY TANY (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitombo isan'andro raha eto amintsika ireo herisetra :
Halatra, vono sy sito-mahery, fanendahana, ... etsetra ;
Ny hala-jaza s'ireo fanolanana, tsy ambara intsony, ...
Asa na nihoatra ny daozin'ny toaka na koa ny rongony!

Mba maodomaody isika rehetra rehefa mandeha,
F'ireo tsy mifidy na an-dalan-kely na an-dalam-be.
Ny alika mantsy, hono, jamban'ny taolan'ny lasan-ko hena ;
Ny olona kosa dia jamban'ny vola, sy ditso-karena.

Na mandeha an-tongotra ianao na misosa amin'ny fiaram-bahoaka :
Tandremo ny paosy, finday sy poketra, ... Fa papango no hipaoka
Ny zanak'akoho dia lasa misidina, miala amin'ny tany
Ka hangasihasy 'ty reny nilaozany, latsa-tomany.

Raha vao hariva, 'lay mody masoandro, aleo malimalina
Ny aina tsy ananana firy zareo raha toa tratra alina;
Ataovy fady ny manao andraso ka mbola tsy hody ;
F'ireo jiolahy anie toy ny saka mihaza totozy!

Ny zaza madinika any an-tsekoly : ataovy andrimaso
Fa be ny mpisompatra, be ny tsy tia sy te-hanao ankaso ;
Manao kendry tohin'ny te-hana-maro amin'ny fomba maloto,
Ramoramanana, kamo be tenda, ... Tena jiolahim-boto!

Tandremo koa fa misy any ho any olon-tsy fantatra :
Milaza ho masina, tia ny rehetra ary mihaingo fatratra!
Kinanjo, tsy hafa rehefa natao ny fanadihadiana
Fa olon-tsy vanona sy tena havanana amin'ny fisol

TEBOKA TELO
--------
Rohy:
1340 1
Hevitra mandeha
TRRV ( 24/08/2017 18:38)
Marina lotr zn ee!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 24/08/2017 11:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101