VOLAN-TANTELIM-PISARAHANA (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tsy tinao ary aho 'ndeha isika hitafasiry
Hanomana ny fisarahana,
Toy ireo natao taloha, fony isika roa naniry
Hanana ny fahafahana!
Ka ireo fianankaviana, tapaka sy namantsika
Hasaina tsisy fanavahana:
Sakafo be sy fandihizana, fakan-tsary no apika
Rehefa isika mifamahana!

Raha tsy tinao ary aho, 'ndeha isika hiara-dia
Hanofa fiara soa, hiarahana
Ho eny an-tranom-panjakana, hanafoana ilay sonia,
Fa io no olana mibahana!
Ka kabary fanariana, tsy kabarin' alafady,
Ireo tafa iresahana...
Oroka, fandraisan-tanam-pisarahan' ny mpivady
No eo an-dalana ivoahana!

Raha tsy tinao ary aho, dia hilazako pasitera,
Hanomam-bavaka hikatsahana
Hahato 'ty faniriana, nanaovantsika teny miera
Ka doria no ifanarahana...
Ka 'lay voaly fotsinao sy 'lay peratra natolotro,...
Nifaliana, nibitahana!
Avereno eto an-tanako, hanolorako ny molotro
Fa tena to 'lay fisarahana!

Raha tsy tinao ary aho, afaro indray 'lay aorikesitra
Fa tonga eto am-piolahana...
K' hitotorebika ny maro, f' isika kosa ao an' efitra
Hifanome fankasitrahana
Tamin'ny zava-bita maro, nandritr' ireo nifankatiavana
Sy ny soa nifametrahana...
Ka tsy hisy tsy hahalala na 'reo namana na havana:
"Volan-tantelim-pisarahana!"

TebokaTelo
--------
Rohy:
2147 2
Hevitra mandeha
Elihangy ( 25/03/2010 14:43)
tena tsara! tena tsara !
mankafy be za!!! midera anao, mankasitraka anao eeeee!
nefa enga anie tsy hisy izany...
hery ( 26/03/2010 08:27)
Kay, gravy indray izany :-)

Mankasitraka ilay fiangaliana azy e.

Fa raha ireo rehetra ireo no mitranga dia amin'ny farany angamba lasa hoe andao hiverina indray :-)
fahamarinana ( 28/03/2010 11:46)
tsara loatra !Tonga amin'ny lazain'ny Hery hoe lasa ankamerina no hiafarana !Tsy dia maninona koa anie ,rahatoa ka tena nifankatia ,nahavita ireo rehetra voalaza ireo dia mbola ao raha !:-))
mpisotrtoaka ( 17/06/2015 14:33)
Tena mahay le bandy ity ! sady mahatsikaiky no mahatonga saina ! Nisava mbamin'ny toakako marina !
z'andrygasy ( 17/06/2015 14:50)
Zao aho vao nahita azy, tena tsara, Misaotra, zaho mankafy, aza manome tsiny raha miteraka aingam-panahy ho ahy ka lasa hamoronako sombin-tantara indray andro any, tsara loatra lay izy ka mety amoronana tantara Mahafinaritra. Na ny toaky ny sasany aza nisava
DotMG ( 04/07/2016 06:01)
Rehefa amoronanao sombin-tantara izy dia aza hadinoina fotsiny ny milaza hoe aingam-panahy avy tamin'ny tononkalon'i Teboka Telo hoe "Volantantelim-pisarahana". Sao mantsy hamorona koa aho dia isika sy z'andrygasy no hifanome tsiny hoe manao "plagiat". :P
kalonantitra ( 31/10/2016 08:32)
Teboka telo, mindrana an'i Bikabika sy Kalonantitra hampiditra ny sangan'asany eto! Mankasitraka anareo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : bikabika
Daty : 24/03/2010 04:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108