Angamba (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba

Raha ny kalon'ny valiha no nandrotsy anao hatory
Fa ny ezako mitendry tsy mba tsapanao am-po
Mendrika ahy ny hangina tsy hilaza izany intsony
Fa vetso diso kendry ny momba antsika roa

Raha tahotra ny ho irery no nandraisanao ny tanako
Fa tsy ny fo no nino hoe anjara no niraisana
Moa misy sombiny ihany natokanao hiadanako?
Na tsiky an-tsisi-molotra natolotrao ho raisina?

Raha fo tsy nanatena ny ho sambatra eny intsony
Fo diso fanantena tsy hiaina indray rahampitso
Tsy maintsy hanoy ny lalany rehefa iny izy ho tony
Ho neninao angamba ilay nitondra tsiky

Fa ny kotrokin'ny lanitra no niantso anao hifoha
Dia rehefa izay ho mirana ny lanitra ho manga
Tsy ho tsinjonao akory ireo voady tany am-po
Ho hadinonao ny anarako, ny fisiko.... angamba

m
--------
Rohy:
Sokajy : Fanahiana
186 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 08:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143