Tiako ianao na dia... (Ted Raz)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao na dia...

Tiako ianao na dia...
Somary vazivazy
Ilay fitiavantsika roa

Tiako ianao satria
Nameno tambitamby
Ilay fery tao ampo

Tiako ianao na dia...
Tsy nisy nahalala
Fontsika nifandray

Tiako ianao satria
Nekeko ho malala
Sy ho mandrakizay

Tiako ianao na dia...
Nisy elanelantany
Nisy elanelan'taona

Tiako ianao satria
Efa hatrany an-danitra any
Ny fontsiaka no nihaona

Tiako ianao na dia...
Toy nofy ririnina
Rediredy tao anaty

Tiako ianao satria
Niriako nofihinina
Nekeko mandramaty

Tiako ianao na dia...
Tsy afa-notantanako
Amin'ny androko rehetra

Tiako ianao satria
Fitiavako sy namako
Na fotoana nanampetra
--------
Rohy:
523 1
Mpakafy: zakaberthot
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:12
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147