Iny oroka iny (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny oroko iny

Bitsibitsikin'ny moana no mby manakoako
Niantsa ny fitia
Niventy irony fy
Nanaitra ilay adala mifitsapitsaka ato
Fa tonga teny antsofiny ilay feoan'anjely niantso
Mikiry sy tsy miato
Nandratra indray nofy efa mandri anjiran antsy...
F'izay no izy mantsy

Indrisy indrisy foana ny sentosento laliny
Raha tahaka izay ka tahaka izao moa no nofinofin'ny aliny?
Mbola tazana no indro mandalo no totolony
Mbola tsy maty an-korona ilay fofopofo-mbolony
Mbola mamy ambava ny orokin'ny molony
Tsy ho rava izay natolony...

Saingy saingy lava ny kilalao anteniny misangy ny eritreritra
Dia niova ho erikerika
Nitondra andro maloka
Nanakana azy tsy hierika
Nisambotra ny tongony handray tsodranon'ny Avo
Hitazona azy tsy hiala
"fihino anie aho malala e"
Teo izy no lavo
Teo izy no niantsa ilay kalo hoe "izaho mb tiavo"

Dia iny nifandray
Tsy nisy teny iray
Ny nofo no nilaza sy namaritra mazava
Irony nofy sy fanahy tsy voalaza hatramin'izay
Dia lasa iny oroka iny no teboka namarana
Dia lasa iny alina no fehiny tatarany
Dia mbola iny oroka iny na kasika voloany
Nametraka ilay sary hifantsika ao andohany
--------
Rohy:
375 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143