Tony (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tony

Efa tony hono ny fony
F'aza manahy intsony
Ny amin'ny tebitebin'tsainany

Efa ritra ireo tomany
Sy efa mirana aoka izany
Ny andon'ny marainany

Hono adinony ny lasa
Sy izay rehetra nandratra
Fa ny ho avy no banjininy

Nataony toy ny tsisy
Na ny indrisy na ny tsiky
Na ianao nofihininy

Lalan'kafa tsisy anao
No hizorana eny izao
Dia milamina ny fony

Lavitrin'ny ranomaso
Ny halahelo sy ny ankaso
Fa tony anie ka tony

Izay vao tsapany fa faly
Diso mantsy ilay omaly
Hoe raha tsisy anao dia very

Fa vao maika nandroso
Vao maika nitombo nofo
Vao maika izy nahazo hery

Tsy nisy neniny izay vita
Na voady tsy tafita
Na navesatra ny lanjany

Ianao no hisaorany nandratra
Mba namadika ny rasa
Nampifoha ny tena tanjany
--------
Rohy:
291 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146