Tia izy... (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia izy...
Na mahantra sy mijaly ny fiainandavanandrony
Na rovitrin'ny ankaso ny fitafy sy ny akanjony
Tia izy... manana fitia
Maniry mba hiadana,hianoka hankafy

Te ho tiana dia ho tiavina hatsapa fifaliana
Te hiraina koa ny anarany raha misy faniriana
Tia izy... mitovy aminao
Misy fo mitempo ao antratrany ao

Na voavaka matetika fa raozy tsisy laingo
Tsy mahavidy ranomanitra,tsy mahay mihaingo
Tia izy... mba mangetaheta
Te ho voky tambitamby amin'ny androny rehetra

Saingy ny azy to voagadra,voafefy ny ao antsaina
Voasaka-tsy hiandry,hahita ilay maraina
Tia izy... fa toa tsy manantena
Hoe ny finoana,ny fitiavana... hitondra fandresena
--------
Rohy:
293 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138