Ianao.... (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
You raise me up!!

Notsipelatrao hazava ny haizin'ny tantarako
Raha mbola jambena ny masoko nijery
Nosalorana ho kanto ny hevitrin'ny anarako
Hitsiky ny fisiny ny foko kely hery

Noraisinao hafana ny tanako efa ngoly
Natrakanao ny lohako hibanjina ny ampitso
Ankasahina sy fitiavana ianao no nitory
Fa "tia" tsy mahalala ny lasana efa diso

Natosikao androso ny foko feno ratra
Notaritinao hamindra amin'ny lala-kodiavina
Notoloranao ilay tsiky ny molotro tsy zatra
Hahay hivetso ampifaliany ny kanton'ny fitiavana

Notiavinao sahady ilay amiko rehetra
Nomenao fahatakarana hamafa ny hadisoako
Natolotra izay tsara ny mamy sy ny etsetra
Nidiranao ny fiainako vao sambatra ny foko
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Aingam-panahy - Fitiavana
371 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144