Tsiaro hoan'i H.... (Ted Raz)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiaro kely ho an'i H....


Nanerika malefaka ny masoko f'indrisy
Niverina indray maka nanala indray ireo tsiky
Nisokosoko miadana manafika ny foko
Ny rehetra momba anao no indro fa tsaroako

Efa naleviko ny lasa hiatrehako ny ho avy
Fa saingy misy avelo
Mamohafoha halaelo
Tsy mamela ahy hiady
Dia raraka sahady
Ilay heriko mikiry ny hanadino anao

Fa toy ny hoe vao omaly...

Ilay molotrao nitsiky nisaronan-kenatra iny
Ilay masonao nilaza 'zay niafinana any am-po
Irony rediredy, nofinofy, faniriana...
Toy ny tsy mba nisy raha ny momba antsika roa

Dia toy ny hoe vao omaly...

Ilay ranomaso ritra fa nitomany ho anao
Ilay teny tonga tamiko nanimba toy ny varatra
Ilay feoko nikika "Mba aza ilaozana aho"
Ilay nandaozanao ny fonay tsy nahasaraka

Que son âme repose en paix
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Alahelo - Fiainana
373 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:21
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148