Hoan'ny saina bé fanapaka (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoan'i saina be fanapahana

F'angaha raha hoe nisaoma
Sy revon'ny alikaola
Dia saininao sahala
Ny fihevitrao sy ny azy?

Fa tsy mety raha mangina
Manafina izay tiana
D'izao ho toy ny adalana
No dikan'ilay "kôzy"

Tsssh, mbola zaza loatra
Dia faly hanararaotra
Ny fahabangan'ny "misy"
Mitohana hanoloana

D'izaho no tsy ho tafarina
Hanova indray ilay marina
Hizara sarin-tsiky
Hafeno "ilay fotoana"

Adala aho, hoy ianao
Kanefa saino izao
Ny tohin'ny tantara
Navilinao sahady

Fa na nofy azy niravana
Tsy hisy hiantsampazana
Nanova fahasambarana
Naninona raha niandry?

Izaho anie raha moana
Mba niandry ilay fotoana
Tsy hoe tsy hiteny akory
Fa miandry ilay kinendry

Niambina azy ho tony
Vao nisisika namony
Niandry azy hatory
Vao hibitsika hoa "tia"

Dia nosoparanao
Ilay ho "tantaranao"
Nofarananao sahady
Ilay niriko ho "to"

Tsy andrinao ilay "ora-ko"
Fa avy dia natorakao
Ho resy tsy mba niady
Ilay nofiko ho "roa"

Tsy mba nisy faharetana
Dia tonga tamin'ny fetrany
Tia tena loatra ianao
D'izao no niafarany

Tsy mbola sitrany ilay feriny
Dia terenao hiverina
Hanakatra ny tendrony
Ilay any anatiny any

Nefa,
Nasahy ianao namboraka
Nandrangotra ho soratra
Ireo volamena niafina
Nafeniko hatr'izay

Tsy misy iray disoana
F'izaho mby hifona
Nitsara anao sahisahy
F'efa hainy aloha, dia izay...

Hoy ny fonao feno tahotra!
Hoan'i saina be fanapahana

F'angaha raha hoe nisaoma
Sy revon'ny alikaola
Dia saininao sahala
Ny fihevitrao sy ny azy?

Fa tsy mety raha mangina
Manafina izay tiana
D'izao ho toy ny adalana
No dikan'ilay "kôzy"

Tsssh, mbola zaza loatra
Dia faly hanararaotra
Ny fahabangan'ny "misy"
Mitohana hanoloana

D'izaho no tsy ho tafarina
Hanova indray ilay marina
Hizara sarin-tsiky
Hafeno "ilay fotoana"

Adala aho, hoy ianao
Kanefa saino izao
Ny tohin'ny tantara
Navilinao sahady

Fa na nofy azy niravana
Tsy hisy hiantsampazana
Nanova fahasambarana
Naninona raha niandry?

Izaho anie raha moana
Mba niandry ilay fotoana
Tsy hoe tsy hiteny akory
Fa miandry ilay kinendry

Niambina azy ho tony
Vao nisisika namony
Niandry azy hatory
Vao hibitsika hoa "tia"

Dia nosoparanao
Ilay ho "tantaranao"
Nofarananao sahady
Ilay niriko ho "to"

Tsy andrinao ilay "ora-ko"
Fa avy dia natorakao
Ho resy tsy mba niady
Ilay nofiko ho "roa"

Tsy mba nisy faharetana
Dia tonga tamin'ny fetrany
Tia tena loatra ianao
D'izao no niafarany

Tsy mbola sitrany ilay feriny
Dia terenao hiverina
Hanakatra ny tendrony
Ilay any anatiny any

Nefa,
Nasahy ianao namboraka
Nandrangotra ho soratra
Ireo volamena niafina
Nafeniko hatr'izay

Tsy misy iray disoana
F'izaho mby hifona
Nitsara anao sahisahy
F'efa hainy aloha, dia izay...

Hoy ny fonao feno tahotra!m
--------
Rohy:
153 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097