Tantaranay sy i Mia (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tantaranay sy Mia

Nitsiky fa hoe kanto iny asa soratra iny
Dia hontsa ery ny fo namarana ilay tonony
Nasiany lohateny hoe "Tantara nisy tsiny"
Nefa tsy azy akory ny rima izay nangoniny

Tantaranay sy Mia no nanainga ny fanahiny
Tantara fohy kanefa hainy tsara no nandika
Namadika ho kanto ny rehetra sy ny ampahany
Nanao kisarisary ilay endrika sy bika

Nolaizany tao fa sambatra sy tena nifandray
niezaka nanilika izay sampana nibahana
Dia niaraka nitolona hanambatra ilay iray
Saingy... hoy izy tsy naharitra fa nisy fisarahana

Tsy laviko ny hatreo f'ilay farany disoako
Nisy tokoa ny ady f'izahay ts nifandrafy
Ilay gina tany ampony mbola bitsika ato ampoko
Fa nisy tantara hafa dia naleonay niafy

F'isaorako ihany i Antsa nikalo anay mangina
F'izahay efa nisaraka fa mbola miara-dia
Na izaho na izy samy manana olon-tiana
Fa mbola hitohy ilay "Tantaranay sy Mia"
--------
Rohy:
328 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141