Misy... (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy

Misy rangotra toa soratra
Nipetraka ho sonia
Misy ratra efa manolatra
Navelan'ny fitia

Misy aloka miserana
Mamokotra ny lasa
Misy tsiky iray noferana
Tsy hamadika ny rasa

Misy teny "tiako ianao"
Mbola miaina nefa dangy
Misy tsiaro tsy mandao
Tsy matory fa misangy

Misy maso leo tomany
Minia ditsoka hiafenana
Misy saina manontany
Ilay tsy vitany hieverana

Misy toerana mangina
Mamoha ny sary an-tsaina
Misy tia fa tsy mba tiana
Miandry lava ny maraina

Misy lala-mitahiry
Ilay dia-tongotr'olondroa
Misy sampana nikiry
Nizaran'ny iray ho roa

Misy soratra avy anaty
Lasa antsa an-tononkalo
Misy tsiaron'ny efa maty
Hirina hitoetra tsy andalo

Misy nofy hirina ho toa
Ninoanao fa tsy hinoany
Dia lasa misy ihany koa
...ilay tsy ho hisy intsony
--------
Rohy:
186 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139