Ny fisinao (Ted Raz)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fisinao

Raha marary ka milofika ny anatiko toloko
Na maloka ny lanitro fa sendra fahakivina
Ny fisinao no hany mampahery indray ny foko
Mandrisika ahy androso, hiady ampitoniana

Na fantatro f'ho rava izay natsangako rehetra
Ka andalo ny fisiko hoan'fiainana eto antany
Na hiserana ny maro fa raha kosa ianao hitoetra
Dia izay no fifaliako miotra ny any andanitra any

Na ho faty ny masoandro ka ho maizina ny lalako
Na hanempotra ny rivotra hifofo ny marainako
Raha mbola ianao no anilako hitantana ny tanako
Dia hafana sy ho tomady aho satria ianao no fiainako

Raha ho foana ka tsy hisy izao rehetra izao
Ka nofy fotsiny ihany ny rediredi-mpoko
Aleo tsy niforona raha toa tsy hisy anao
F'ianao no hany mamy tamin'ny ngidy nosotroiko
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Aingam-panahy - Fitiavana
318 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151