Rehefa tia (Ted Raz)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tia

Miova ho endrika sariaka ilay tava-malokao
Mitsiky ny tontolo ilay molotrao makina
Toa vonona hiatrika ilay hoavinao vaovao
Ny anatinao mifaly anilan'ilay tiana

Toa zary zava-poana ny rehetra hita maso
Rehefa misy ny ady kely mandratrandratra fo
Namela azy andeha nefa mihika hoe endraso
Tsy foinao ho ravanà izay vitanareo roa

Mampijaly tena irery rehefa iny lasa saina
Fa "any izay ilay tiako angaha mba mihevitra ahy"
Mifendro ny any anaty fa tsy sahy mitaraina
Manezaka hampitony ny fo, saina sy fanahy

Mivavaka ao anaty amin'ny fo tsy mety lao
Na ny tena aza adino fa ho an'ilay malalany
"Tompo ô! mba fihino ao ambany elatrao...
Ilay tokako iny Ray ô, arovinao ny lalany..."

Tsy ekenao ho rava izay vita sy nahorina
Fa ny fonao maniry fasambarany ho azy
Eny ny tsy misy aza dia vitanao forononina
Ekena izay takalony na ozona na sazy

Dia vatranao ho ferana ilay fonao tsy mahasaraka
Na mafy aza nanaiky ny anatinao satria...
Na tia ianao na tiana tsy voatery hiaraka
Najainao ny safidiny satria izay "rehefa tia"
--------
Rohy:
364 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ted Raz
Nampiditra : herizoimc
Daty : 14/04/2023 09:07
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147