EBOLAHY (Tefy.)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EBOLAHY

Ebolahy ianao, Rafanja,
Hay tsy misy hapoaka akory !
Vao ry Bila no mitranga
Dia efa tsy mahita tory.

Nefa omaly ianao nilaza
Ho tsy matahotra vazaha.
Niebo sy nivazavaza
F’efa vonona sy sahy.

Izao anefa i Bila Kely
Sy ny Gasy namany any
No mandavo ny mahery,
Zary henatra eran-tany !

Raha izaho ianao mangina,
Tsy miebo tahak’izao.
Andriamanitra itokiana
Fa tsy izato basinao.

Tefy.
24/06/12
--------
Rohy:
975 1
Mpakafy: Daniel.R
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tefy.
Nampiditra : TENIMAMIKO
Daty : 26/06/2012 15:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134