You are here: home > Vetso

FETIMPIRENEKO - Tefy.

Azo vakiana?

FETIMPIRENEKO

Ny Fetimpireneko :
Tsy fetim-pirenena.
Ny fety aloha ekeko
Fa tsy an’ny firenena.

Satria ny ankamaroany
Mizioga fahantrana.
Ny olon-dasa ambony
No manana hiantsenana.

Fa ny daholobe
Sahirankiran-dava,
“Kirizy” sy kere,
Dahalo no mandrava.

Iretsy be galona
Ambony lampihazo :
Tenenin-tsy manoina,
Antsoina fa tsy azo.

Fa ny tahaka anay :
Mitoraka “salut”,
Manaiky ny antsonjay,
Tomany anaty dihy.

Soa fa eo ny Tompo
Hifety miaraka amiko
Ka hionona ny foko
Na ory izato Taniko.

Ny Fetimpireneko ?
Fety mahonena,
Maneho ny halemeko :
Latsaina sy hosena.

Tefy.
25/06/12.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Tefy.


Nampiditra : TENIMAMIKO
Daty : 26/06/2012
Mpamangy : 584
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RESIN-TSINOA
GAGA
HAVAKO O !
SATANISTA
EBOLAHY