GAGA - Tefy.
GAGA
Gaga izao tontolo izao hoe : nahoana i Gasikara
No mahantra toy izao : mba mandroso saingy tara ?
Nefa harena sesehena no dradraina sy ambara.
Gaga koa angamba isika hoe : nahoana ny Eglizy
No anjakan’ny pôlitika sy fiainana tsy izy ?
Nefa isan’andro vaky : toriteny, katesizy.
Gaga isika mpakafy : nahoana moa ny Teny Gasy
No anjakan’ny bibidia sy lotoin’ny teny ratsy ?
Nefa teny tena kanto no mameno taratasy.
Aza gaga intsony ianao !
I Gasikara tsy mahantra,
Ny Eglizy mbola ilaina,
Teny Gasy ? Tena tsara.
Saingy ny olom-baovao
No vitsy loatra ka tsy tratra
Ny mizara Mofon’aina
Mba hanova ny tantara.
Tefy.
14/04/12.
Mombamomba
Mpanoratra : Tefy.

Nampiditra : TENIMAMIKO
Daty : 26/06/2012
Mpamangy : 1081
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RESIN-TSINOAHAVAKO O !
SATANISTA
EBOLAHY
FETIMPIRENEKO