HAVAKO O ! (Tefy.)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAVAKO O !
(Ho fahatsiarovana an’i Pasteur Emilien RAZAFIARISON, rahalahin-draiko.)

Tsara firenty ny trano onenana,
Tsara fisosa ny fiara itaingenana,
Tsy omby fasiana ny vola voaangona,
To izay nirina ary tratra ny tanjona.
Tsarovy, havako ô !
Mpivahiny isika no eto e,
Mpivahiny isika no eto.

Aleonao angamba mifidy ny sampy,
Saingy ny an-tànana feno sy ampy.
Mamadi-drazana sady manandro,
Manara-po amin’ny toaka isan’andro.
Tsarovy, havako ô !
Misy farany io e,
Misy farany io.

Kristianina olona ambony :
Ny olona ambany tsy ahoanao intsony.
Nindraminao e ny fahefana
Ka aoka tsy hoentina hireharehana.
Tsarovy, havako ô !
Mandalo ianao no eo e,
Mandalo ianao no eo.

Olona osa ka misy manary ?
Rehefa miantso : tsy misy mamaly ?
Aza mba kivy na ketraka akory :
Ny Tompontsika mijery ny ory.
Tsarovy, havako ô !
Mihaino vavaka ny Tompo e,
Mihaino vavaka ny Tompo.

Mety ho tampoka ny andro hodiako
Ka hitomany ireo havana tiako.
N’aiza ny vohitra mety hilevenako :
Ny asa vitako tsy hanenenako.
Tsarovy, havako ô !
Any aho miandry anao e,
Any an-danitra aho miandry anao.

Tefy.
Ranohira
29/03/12.
--------
Rohy:
1390 1
Mpakafy: iraisantsoa
Hevitra mandeha
iraisantsoa ( 26/08/2016 07:57)
tena tsara!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tefy.
Nampiditra : TENIMAMIKO
Daty : 26/06/2012 16:08
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014