Ampidiro aloha ny tenimiafina
SATANISTA (Tefy.)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATANISTAMangorohoro va
Fa misy “Satanista”
Mijery sy mizaha
Izay hameno lisitra
Hanompo ny Devoly,
Ho an’i Losifera,
Ka handoro ny Baiboly
Ao anaty fatapera ?
Miravoravo va
Raha misy Evanjelistra
Mitombatomban-dahy,
Mitsemboka, midinitra,
Ka ny fitiavan-dRay
No ambetin-teniny eny
Fa mitaona anao indray
Mba hanompo Ilay Lehibeny ?
O ! Aza dia variana
Hihaino sy hitantara
Izay fitaovam-piadiana
An-tànan’i Satàna :
Izato fo no atolory
Ho an’Ilay Mpamonjy
Fa tsy misy ahiana akory
Ao am-balan-Janak’Ondry.
Tefy.
15/06/12
--------
Lien:
