TAO ANTOKOTANINAY (tiff)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
harivariva tamizay
tao an tokotaninay
olondroa mpifankatia
nifanaiky hiaradia

mikaondo mifampiresaka
mifampizara zay mavesatra
nanome toky nivoady
ho mpinamana hivady

teny mamy safosafo
ampy ho solon sakafo
tanandro mifandrairay
tao an tokotaninay

ilay tara diavolana
no nanarona zay olana
tsikitsiky tambitamby
hafaliana mananamby

tao antokotaninay
indray andro hariva zay
zahay roa tsy te hifandao
mamy loatra zao ora zay

14/04/08
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1075 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tiff
Nampiditra : tiff
Daty : 21/07/2008 12:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148