INY ILAY ZAZA - Toetra RAJA
INY ILAY ZAZA
Atolotra ampanajana ho an'ny reny rehetra tsy mikely soroka amin'ny fanabeazan-janaka, amin'izao fankalazana ny fetin'ny reny izao (30 mey 2010).
Iny ilay zaza
Natao an-tsangory
Fa lasa kalaza
Mahay manamory
Ny fiainany irery :
Voarakotra hery.
Iny ilay zaza
Natao am-babena
Fa lasa malaza
Sy mahavita tena
Mitraka famindra
Ary tretrik'indrindra.
Iny ilay zaza
Notrotrotrotroina
Fa tojo "sahaza"... (1)
Ka raha mba antsoina
Dia fo maromaro (2)
No indray mahatsiaro !
(...)
Na teo 'reto soroka,
Lamosina folaka
Nampian'ny oroka (3)
Mamy an-takolaka...
Dia iny ilay zaza
Nandray ny SAHAZA ! (3)
Toetra RAJA
24 mey 2010
toetraraja@yahoo.fr
(1) taolan-tehezana
(2) ankohonan'ny zanaka
(3) Zanaka nahay namatra ny sahaza azy tao amin'ny tontolo iainany.
Hevitra mandeha
razamble (29/05/2010 11:26:23)
Lalina be ny tononkalo.
Ny an-tsangory hahaiza-manamory ny fiainana.
Ny am-babena mampitraka.
Ny trotrotrotro hahazoana ny sahaza.
Kanefa na inona na inona no nomen'ny reny ny zanaka, rehefa ny zaza mihitsy no tsy mahay mandray ny sahaza eo amin'ny fiaraha-monina dia hampisalasala ihany ny vokatry ny fanabeazana.
Mankasitraka indrindra mizara.
Mombamomba
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetraDaty : 27/05/2010
Mpamangy : 3703
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
LALAN-TIAKOFANANTENANA
TSY BARAINGO
DIAM-PENINA
RY BE GALONA
I KAOZATRA KELY
LANJAM-PITIA
RAHA TETO I RADO
FOSAFOSA
MAMAFAZA VOA