AZA MANAHY (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manahy,

Ho avy izany andro izany,
Handaozana indray ity tany,
Nivohizana ny Mamy,
Nampitombo ny finoana  hatrany.

Ny faniriana amin'izay andro izay,
Za  tsy afaka hiteny intsony ry lahy.
Ka dia ambara aminareo anio,
Izay nofinofy ka mba tadidio.

Aza misahirana amin'ny asiana ahy,
Mety daholo fa aza manahy.
Ambanivolo na eny Anjanahary....
Ataovy tsotra dia ho lavorary.

Ny vatamangatsika aza avoaka fesiboky,
Ireo sary  mitsikitsiky no toky.
Aza atao be loatra re ny tomany,
Eny e, tsy afaka sakanana izany !

Ity misy hira anisan'ny mba tiana,
Tsy hira amin'ny faty fa mba irina.
Hiraina amin' ilay fanaovambeloma,
"Mamafaza voa" ventsoina....

Fandalovana ny eto an tany,
Mbola kely dia nahafantatra izany.
Ny tsy hitovizana amin'ny tsy mino rehetra,
Dia ny fodiana any amin'ny Ray no tarigetra.

Ity koa misy faniriana kely,
Aza mividy voninkazo velively.
Ataovy sakafo ho an'ny mahantra,
Mba ho tazanina eny amin'ny lanitra.

Raha nananana ny "bageta majika" ,
Dia atao fifaliana ny fisarahantsika,
Ny ahy no ho vita, ny ho avy no hatreo,
Mbola lava ny lalana miandry anareo.

Ataovy tsotra sy ampitiavana ny faravelomako.
Aza malahelo be loatra fa mbolo horohako.
Rehefa ho tafahoana isika mianakavy,
Mandrakizay... dera sy  laza no atolotr' Azy.

Nosy Malala
Janoary 2021
--------
Rohy:
509 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0294