You are here: home > Vetso

AFON'NY FANANTENANA - Tsanta MIKANTO

Azo vakiana?

AFON'NY FANANTENANA
Maty ny afon'ny fanantenako,
Maty kanefa tsy hitako akory
Maty no sady narahin-damako
Maty izy eny fa tsy hoe natory

Maty,ary eny tsy hifoha intsony
Matin'ny afon'ireo panangoly
Matin'ireo fehy amboaram-pony
Maty toa vitsika an-tanimboly

Maty satria nitia mangina
Maty tsy nahy fa tsy mba niniana
Satria liana tamin'ny olo-tsy liana,
Maty fa tsy notiavin'ny tiana!
Tsanta MIkANTO 2013

Sokajy : ahy, Alahelo, embona, Fitiavana