FITIA FA TSY SARANGA (TSIFERANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALA A !
Toa tsy mendrika akory ny hiantso anao malala ny vavako satria ,
Ny manana sy ory, ny toa anao sy izaho, tsy natao hiaradia.
*
Aza omena tsiny aho raha somary menamenatra miara-dalana aminao,
Fa raozy anaty hady aho ka tsy tazan'ny mpandalo eo anilanao .
*
Haiko ianao fa tia ahy saingy ny saiko no tsy mety, lasalasa aminao,
Hoe raha izaho no antsoinao hoe tiana dia tsy ho sambatra ianao.
*
Notoloranao akanjo aho, mba faly ihany fa ny tanako nangovitra,
Hay ianao ka nalahelo nijery ny haratsiako anaty akanjo efa rovitra.
*
Tsy omeko tsiny ianao fa mahery ny fitia ka tsy tsapanao akory,
Hoe amin'ny hafa ilay lalainao sy nanankinanao ny fo, manorisory.
*
Tia ahy ianao dia tiako hajaiko sy lalaiko fa efa nofinidiko,
Noraisinao am-pitsikiana raha ianao niangoty nefa voanjo no vinidiko !
Mainka tiako ianao fa fitiavana ahy izany !


TSIFERAN (07 SEPTAMBRA 2017)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
946 1
Mpakafy: velotsiferana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIFERANA
Nampiditra : velotsiferana
Daty : 08/04/2019 16:52
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147