NY DIAMPENIKO (TSIFERANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny aingan'ny fanahy mamony anatiko any no tsy hefa raha hafeniko
Mandoaka ny ati-foko sy maniraka ny tanako hampanoratra ny peniko.

Ny taratr'iny volana rehefa alim-pararano mandrisika ahy hitsiky
Ny talenta anatiko any ezahiny fohazina tsy havelany hitampify.

Ireo tsy tia manondrak'eso hoe adala hono aho mandefa ny vinaniko
Mainka aho tsy ho kivy fa io DIAM-PENIKO io ho voninahitry ny taniko.

Handraiketako tantara, hanaisorako ny sento ary hanandratako ny teniko
Ny an'ny hafa aza feheziko mainka moa fa ny an'ny tena, dia ianao ry DIAM-PENIKO.

TSIFERANA
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
675 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIFERANA
Nampiditra : velotsiferana
Daty : 08/04/2019 17:07
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144