ANTSO HO AN'NY LANITRA (TSIFERANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray รด! Raha sitrakao mba omeo ahy ny iray minitra monja,
Mba hahafahako hivavaka ho an'iny namako iny.
Fa mila handrendrika ny sambony ny hetraky ny onja,
Mila tsy ho hay renesina ny akom-pijaliany.
*
Mila hery avy aminao izy fa folak'andry nampijoro,
Nindaosin'ny ankaso ny zandriny tsy foiny.
Lasa tsy hipody ilay Rainy mba mpanoro,
Ka ny ngidin'ny tangena no mba navela ho sotroiny.
*
Raha sitrakao anie hivimbino ampahan-tsiky
Hanomany paradisa fa aoka izay ny afobeny.
Omeo azy na dia tery hahazoany hitampify,
Fa tsy hahatohitra ny ankaso raha izay fahalemeny

TSIFERANA (aprily 2019)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Alahelo
610 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIFERANA
Nampiditra : velotsiferana
Daty : 12/04/2019 14:56
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01