NAHOANA? (TSIFERANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA?
Nahoana ry foko no mitempo azy ianao,
Kanefa ankamantatra ho anao ny fitiavany?
Nahoana no tsy azoko nofy hatrizao,
Izay hany mba teny ho haloaky ny vavavny?
*
Nahoana ny lela no maisatra hiteny,
Ireo vinan'ny foko efa nisy hatry ny ela?
Nahoana raha foana tsy nisy izy ireny,
Fa maika tsy hay tohaina ireo sisa tavela?
*
Nahoana ry alina รด! no nasianao fepetra,
Ireo nofinofy mba hihaonako aminy?
Fa ny andro maraina no tonga nametra,
Nampisaraka anay samy hamonjy ny ankaniny.
#TSIFERANA 17/03/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
716 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIFERANA
Nampiditra : velotsiferana
Daty : 12/04/2019 15:10
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163