TANATIN'NY FOKO (TSIFERANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanatin'ny foko nisy feo niantefa,
Bitsika malefaka tsy azoko lavina.
Nivetso mangina hoe aza havela hilefa,
Ireo kanton'ny gasy izay saro-tadiavina.

Tanatin'ny foko izy no injay nanambara,
Tandrovy mba tsy hisy ny loza sy antambo.
Fa tsara sy masina anie i Gasikara e!
Kanefa mila ho somparan'ireo "RAINIVOANJO"

Tao ihany koa no injay nitoreo,
Niangavy ahy mafy ary tena niangavy.
Hoe raha misy re ny lavo dia mba ampio sy jereo e !
Indrindra isika tanora amin'ny fiainana ho avy.

Tanatin'ny foko no injay nankahery,
Sy nanaisotra an-tsaiko ny fisalasalĂ na.
Ireo rĂ  izay nandriaka hatrizay anie ka tsy very e !
Ka ataovy be ao am-ponao ny fanantenana.

Nambarany ahy tao fa ny lalana ombako,
Dia feno fandrika maro sy hantsana lalina.
Satria tsy maintsy reseko ny fahadalako.
Mba handraisako an-tsoratra ireo vetson'ny alina

Dia tanatin'ny foko no iray nanekeko,
Fa hiezaka hanoratra mba tsy ho azo hafenina.
Ary mba ho fampandrosoana ity fireneko,
Dia ho andefimandriko faharoa ny penina.


TSIFERANA (16/09/2017)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
786 1
Mpakafy: velotsiferana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIFERANA
Nampiditra : velotsiferana
Daty : 08/04/2019 16:48
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0188