You are here: home > Vetso

Azafady - Tsiky dia ampy

Azafady fa tsy haiko
Izany tsy mitia anao
Ka na hanafaka ny aiko
Dia ho tiako tsotr'izao

Aza tsiny raha minia
Ka tsy mahafehy tena
Zany mantsy rehefa tia
Ny ho avy no jerena

Miala fondro re malala
Raha toa mirotoroto
Fa ny foko anie adala
Efa leon'ny mitoloko

Miala tsiny raha mafy
Ny vokatry ny miaraka amiko
Fa izaho raha mihafy
Dia ny ho avy no sahaniko

Azafady raha sento
No abosakao, taraina
Fa indro indray averiko eto
Mbola ho avy ny maraina

Metro Roma
07/10/04

Hevitra mandeha

hery (22/10/2004 14:35:35)

Tononkalo somary personnels ihany ireo saingy ato no hitako mba hitehirizana azy :)

Oully (23/10/2004 17:34:16)

Aza dia mitaraina be loatra ra-zoky fa vokatry ny safidy io an! raha misy hanampiana dia aza misalasala ... resaka matotra io an! :)

hery (23/10/2004 19:52:27)

Hihihi. Ok Ok

Oully (23/10/2004 22:19:06)

Zay koa dia mahazo aina be eo hoe ampiana. Tsss .... hahahaha :))

hery (24/10/2004 10:22:36)

Hanome fanampiana ? [Jereo Boatindrakitra ] :-)

Oully (25/10/2004 11:39:42)

Raha mila fanampiana ianao ...
Tsiky dia ...

bichette (25/10/2004 18:16:57)

raha mila vfanampiana hono ialahy ry hery .....;; serieux an !

Hametraka hevitra

Midira aloha