Tsiky dia ampy (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiky dia ampy
Raha mila tsy ho tanty
Ny zava-mitranga

Mitsiky tsy kivy
Ho mamy ny ngidy
Ny lanitra ho manga

Tsiky andravana
Ny hakanosana
Te-hiorina faka

Tsiky andresena
Ny fahalemena
Tsy hahazo laka

Tsiky eo imolotra
Nefa manolotra
Hery miavosa

Tsiky tsy rototra
Tsiky tsy ankosoka
Tsy osaosa

Tsiky mangina
Maniry ho tiana
Tsy afa-miantsampy

Tsiky tsy miala
Na be mpanadala
Tsiky mahatanty.

Tsiky itoriana
Fa izy no tiana
Tsiky dia ampy

Hery sy Lanto
Efa ela be :-)
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana
9235 7
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 28/05/2006 21:17)
Tsiky dé ampy! tsara be
toetra ( 02/06/2006 21:10)
Tsiky dia ampy
Toa vatolampy
Aron'ny aina;

Sy hampijoro
'Zay mila hikoro
Sy monamonaina !

Mirary soa ho an'i Hery
ANARIM ( 07/06/2006 09:01)
Tsiky ve dia ampy
Raha manetoka ny fery
ka ty masoko mijery
menamenan-dranomaso ?

Tsiky ve dia ampy
Raha tsy to ny famololony
f’ilay fitiavana natolony
nosomparan’ny ankaso ?

Eny ary, hitsiky aho !
Hanantena famonjena
Avy amin’ny tsikinao


hery sy lanto : efa ela be ono d zay vo avokany ato ô nefa tsara b otran'io! dain kou ty nareo!
hery ( 07/06/2006 09:55)
Anarim> ka efa very io taloha dia izay vao hita indray :-)
Fa an'i lanto io taloha dia nampiako sasany...
tisera ( 10/06/2006 16:37)
eto am-pitsikiana
no namakiana
ny tonon-kalo mampitsiky
dia misaotra é!
Aino ( 11/06/2006 10:25)
tsiky de ampy
marina ny anao!!!

Tsiky tsy miala
Na be mpanadala
Tsiky mahatanty
ama ( 24/10/2006 06:49)
ilaina ny tsiky
satria mampidify
ny ngidiny fiainana
ratsisy hitarainana

Merci e milay b l izy fa tohizo foana
Sara ( 14/09/2007 10:03)
Tsiky maraina
tsy mampitaraina
mampitony ny fo

tsiky no ilaina
mameno ny saina
ho faly kokoa

Sara : tohizo Hery a, tsara be
chrislyd2 ( 26/06/2009 09:06)
Kanto ny lahatsoratra satria nahoana.............???
Satria : mampitsikitsiky vao maraina !!!
nyratsima ( 18/07/2009 18:33)
Hitsiky aho na de sorena
hitsiky aho na de onena
hitsiky aho satria harena
hitsiky ,handray ny famonjena
misaotra e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky dia ampy
Nampiditra : hery
Daty : 28/05/2006 07:31
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112