You are here: home > Vetso

Ho azy - Tsiky dia ampy

Raha mafy loatra ho azy
Ny nandalo tao anatin'ny haizin-kitroky ny lasa
Satria mantsy rava ho azy
Izay rehetra nantenainy, ny fitiava-nokinasa.
Dia mba iangaviako ianao
Hijoro ho andry iankinany
Na dia iray minitra monja.
Mandra-piandry ny mazava.
Maneke mba hofihininy
Hamakivaky izany onja
Meteza koa hanazava
Sy handresy lahatra azy
Fa ny anay hadalàna
Eny hatrany ampiandohana.
Fa ny anay efa hita
Fa tsy maintsy ho rava ho azy
Tsy anjara ny ho tafita
Na natao tsy vazivazy.

Iangaviako koa ianao
Mba hamerimberina aminy
Fa soa ho anay ny toa izao
Na mangidy sy tsy maminy.

Avalony hoe ny omaly
Aza arahina tomany
Fa hitombo anie ny jaly
Raha toa ka toa izany
No hananganany ny hoaviny...
Asaivo esoriny ao ampo
Izay eritreritra hitsara
Fa na mafy ny manjo
Mbola ho avy izay ho anjara...
Atrakao koa ny loha...
Izay ihany no azo ambara.

Manangona hoe hery
Dia aoka koa hitony
Fa ny rano efa very
Tsy azo raofina intsony...

Dia ampio izy hanantena
Sy hanorina fitia
ao anaty fahendrena
Fa ny lasanay taty
Na tsy tanty dia ekena
... dia ny ho avy hoe jerena.

Misaotra.

Sokajy : Fampaherezana, Namana

Hevitra mandeha

Oully (25/10/2004 11:43:00)

Euhhh!!! Amen!!!

bichette (25/10/2004 12:12:45)

mmmmmmmm !!!!!!

andriary (25/10/2004 13:45:40)

tsy mahateny daholo izay mamaky ity tonokalonao ity rahery a!Inoako marimarina fa hain'i nyeja ny mamaly azy ity fa efa namaly tonokalo iray toy ity izy"mila mankany ianao"!misaotra e!

bichette (25/10/2004 18:23:01)

hery a ! marina io voalazan'i namana io

hery (26/10/2004 11:31:46)

:) efa tany fa mbola tsy mety ihany izy dia aleo enao no afarana

bichette (26/10/2004 15:14:28)

azôvy tsy mety ?

bogosssy (26/10/2004 17:25:23)

tsy dia m'lay io!!!!

Oully (27/10/2004 12:21:49)

Ny fahitako azy dia tsy mbola tafakatra akory ity vavaka ity dia efa nivaly sahady.

bichette (29/10/2004 12:29:38)

rehefa avy namaky indray ilay tononkalo aho dia omeko isa 5 ianao. voaray. Biz

hery (31/08/2005 02:57:18)

oully> tsy vavaka ilay izy kah... fa hafatra ho an'olona

ANARIM (07/06/2006 11:15:54)

lalina beeeeee!

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha