You are here: home > Vetso

Ny ampitso - Tsiky dia ampy

Omaly isika olon-droa
Tsy nifankahalala akory
Samy nanana ny lalany
Ny eritreriny, ny diany
Samy nanana ny fony
Samy nanana ny tiany.
    Dia nisy ny hariva
    Dia nisy ny maraina

Androany isika olondroa
F'efa miaina aina iray
Manamboatra lalan-tokana
Hanambarana ny dia.
Hiombonana fitia.
Tsisy tiana hafa intsony
    Dia hisy ny hariva
    Dia hisy ny maraina

Ny ampitsontsika? Ho iray
Tsisy olon-droa intsony.
Mitovy tantana, miray
tsisy ambany tsisy ambony
Iray fitia, iray fo,
Ho nofo iray ilay nofo roa
    Rehefa nisy ny hariva
    Tsy maintsy tonga ny maraina.

Hevitra mandeha

ANARIM (07/06/2006 11:22:24)

dray dray dray! aoka leiss ra hery!

chakkakkely (12/06/2006 07:24:38)

mahafinaritra ery izany ,

fiaritiana (13/06/2006 20:37:28)

tsara be! tohizo

hery (29/06/2006 10:13:17)

Misaotra anareo rehetra...

Malalason (11/07/2006 08:45:38)

omaly isika tratra hariva dia nisy alina, nandimby azy ny andro....

Aino (13/07/2006 22:22:19)

tsara kosany ko.

raozigasy (24/07/2006 23:43:04)

Omaly isika olon-droa

Samy nanana ny lalany
Samy nanana ny tanjony
Nanana izay fahazarany
Nanana izay fibanjiny

Androany isika olon-droa

Nefa roa mitokan-dalana
Sady roa mitovy tanjona
Minia mitovy fahazarana
Miezaka hitovy banjina

Rahampitso isika hitombo

Tsy ho roa intsony fa hihena
Satria ny voady izay hekena
No hampitambatra ho iray
Ireo roa hatramin’izay

Rahafakampitso hanao ahoana ?

Ilay roa nanjary iray
Hihena sa hitombo indray ?
Ny kajikajy atao manaraka
Dia fampitomboina ny taranaka

....

tovoriela (18/01/2012 19:47:05)

manana talenta mints nareo e!!!

hery (29/05/2012 01:06:35)

Na izaho aza tonga saina mamaky azy :-p

Hametraka hevitra

Midira aloha