Ny fahafahako (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Olon'afaka hono ve
Satria navela ny handeha
Hanaraka ny sitrapony
Tsy ho namana intsony?

Olon'afaka satria
Miliba sy miriaria
Ao anatin'ny fitia?

Aoka lahy sao sanatria...
Fahafahana mangeja
Sarintsarim-pahafahana

Ny fahafahana tsy hoe
Ilay manao zay tian-katao
tafavoaka anaty rafitra
Fa fahafahana mifehy.

Ny fahafahana tsy hoe
Fitsinjovan'olon-tokana
Na olon-droa na telo
Fa ny olom-be dia be.

Tsia...
Ny fahafahana rahalahy
Dia fahafahan'ny fanahy.
Fahafahan-tsy hita maso
Toa mangeja anao ivelany
Fa manafaka ao anaty
Toa fijaliana indraindray
Herisetra mahafaty
Fa raha toa ho faty ihany
Tsy aleo ve mamela mamy?

Ho an'i Lebota ho valin'ilay hoe
Ho an'i Hery
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Hambom-po
5097 1
Mpakafy: Miniminiky
Hevitra mandeha
Clarys ( 04/10/2003 06:24)
Misaotra fa voaray. Valiako amin'ny hoe : " Sarin'ady"
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154