You are here: home > Vetso

Ry fitiavako - Tsiky dia ampy

Ry fitiavako o nahoana
No tsy maintsy toa izao
No lalana lalovanao
Vao ho tonga ny maraina?
   Ry fitiavako o nahoana
   Izany tany manontolo
   No manenjika daholo
   Nefa ianao mba mitaraina?

Ry fitiavako o jereo
Be dia be ny mankahala
Tsy mba mety mahalala
Fa ianao koa  mety tia
   Ry fitiavako o ireo..
   ... anefa tsisy hahapotika
   Ilay fitia marimpototra
   Na hanaiky koa na tsia

Ry fitiavako o fehezo
Ao anaty fifaliana
Sy angolangolan-tiana
Izany foko sy ny saina
   Ry fitiavako o herezo
   Aoka ianao tsy ho kivy
   Fa ao ambadiky ny hariva
   Ho avy indray ny maraina

Metro Roma
06/10/04

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

bichette (25/10/2004 18:14:56)

izany hono ry fitiavana a ! inty tany inty anie ka tsy hilaozan'ny olana fa mila miharitra kely fotsiny fa tsy misy zavatra mitoetra raha mbola ety antany.
Fitiavana a ! mahareta e !

Hametraka hevitra

Midira aloha