Sao dia mba (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Setrin'ilay hoe "Indray andro tany an'ala" an'i Bichette)

Sao dia tsy hazo tsara
No nangalako voa
Tao anaty ala?

Sao dia hazo boboka
Tsy hita hianteherana
Ho tapaka tsy ho ela.
Sao dia vaha nandady
Nanaraka ny taho
Tsy afa-nifamela?

Sao dia tsy matoy
F'izaho no efa zatra
Sy tia mivezivezy?
Sao dia mba voaroy
Nanindrona nandratra
Noheveriko ho frezy?

Sao dia mbola manta
Kanefa efa mena
Mamitaka mpandalo?
Sao dia misy tompony
Voafandrika hatry ny ela
Ka nasiana kalo?
--------
Rohy:
1914 1
Mpakafy: bichette
Hevitra mandeha
bichette ( 12/07/2004 07:17)
oups !!!! non kosa e !
hery ( 25/09/2019 16:50)
Fa aiza ilay indray andro tany an'ala nosoratan'i Bichette novaliako teto?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147