androany maraina (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ao ambany tetezana androany maraina?
Loza lehiretsy!dia nahoana loatra?
Dia nisy nanary an'ity sombinainy.
Mbola zaza miraikitra Amy tadimpoitra.
Ireo izay nahita dia samy nitsetra
Nahita ity vatana kely afak'aina
Nanatsiny ny *reny ny rehetra rehetra,
Hoe olon-tsy vanona tsy misy saina.
Fa olon'inona loatra ary itony?
Hoy ireo tezitra,sady nanozona.
Tena efa biby,mifanahin-demony,
Tsy mendrik'ho velona,fa fanapoizina.
Fa ny saiko dia lasa,naniry ahalala
Fa toa tsy misy manozona an-drainy?
'Zay tompon'andraikitra tsy afa-miala,
Amin'ny fahafatesan'ity sombiniainy.
Tao ambany tetezana androany maraina?
Noho ny anjorian'ny Ray sy ny Reny
Dia zaza vao teraka no afak'aina,
Ry Ray ao ambony o!mamelĂ  azy ireny!
????tsiolaka????
13-06-2020 in "ny ankihy"
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
99 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 10/06/2024 11:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788