Angaly (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hira dia manambara
reo rehetra izay nodiavina
toa mamerina tantara
sy manandro ilay ho tiavina

ny faniriana sy hetaheta
antsipirihiny, voambara
na manindrona aza anefa
arahin-tsioka avy ato afara

lay feo manga izay miangaly
no mampihiratra ny kalo
raha henoina toa mamaly
tonom-bavaky ny maro

raha arahim-peon'antsiva
mampanganohano maso
indrindra ny andro raha hariva
mampitamberina ny ankaso

raha tovanana valiha
dia mampihakatra lay sento
raha lavitra lay tia
toa any an-kafa fa tsy eto

raha arahin'ny kabosy
dia manentana ao anaty
mahatonga anao mamofy
tsirim-pitia mba hiantsampy

eh monorotoro fo
mamotsipotsitra reo fery
mampitraka ihany koa
raha mahatsiaro tena ho very

eny fandefasan-kafatra
raha lavitr'anda-kira
ahatsiarovan-tena ho sambatra
raha akaikin'olo-tiana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 11/07/2012 01:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.027