Ilay tiako (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny faniriako eto antany
Dia ny hanolotra fitia
ho an'ilay iray ihany
zay hekeko ho doria

Tsy hanafenako lay toetra
zay tsy hasehoko masoandro
Eny hajaiko na dia efa
Hitako andavan'andro

Eny hekeko ampifaliana
na dia rerak'aho na lanaka
eh tsy foiko ampijaliana
na tsy betsaka ny antanako

Ny halemeny he tsy hitako
tsy mahataitra ahy akory
na mandrava izay vitako
tsy hataoko hanorisory

zay rehetra momba ahy
Dia hatolotro satria
na ny saina na fanahy
dia domelin'ny fitia

june 12th 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1642 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 03/06/2012 17:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181