Mikoty sipa (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azafady anie ry se?
fa misy resaka mandeha
raha tsy bomba mipoaka
hianao de tsy hisafoaka

moa marina izany
sa mba resaka ihany
ny manontany moa fanao,
tiako hamarinina aminao

ary androany hafa kely
sa diso aho izay mijery
miady loko ny ankanjo
hafa nohon'ny isan'andro

nisy fotoana manokana?
fa lay haingo toa voatokana
tsy mbola hitako mihintsy
sa vaovao zato izy?

Hono hoy aho....?


nde hateriko zato ianao
f'efa reraka sy lao
mangina irery tsisy namana
ty ny tanako ho tantanana

hividianam-batomamy?
sa dia voanjo zany ihany
ramanonaka tsy anio
rahampitso,tadidio

saika hadino,o nahoana?
fa saika lasa zava-poana
mba tsy hatao ankamantatra
ny anaranao mba tiako ho fantatra?

Annnnnnnnn!!!!!!!!

Fa manintona ny saiko
efa ela fa tsy haiko
te hahalala aho lahy,
mandefa rivotra ndrandray?

miala tsiny fa adala
manao fiteny tsy sahaza
he tsy mendrika hekeko
hampitsiky no kendreko

Dia manantena aho izao
rahampitso ahita anao
ary tena miandry fatratra
lay valin-teny mahasambatra

hiverina aho fa efa indro
lay fonenana efa tsinjo,
manaraka indray manohy
ry malalako tsy fohy


May 18, 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
6014 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 19/05/2012 00:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0265