Nandeha nitady (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanantena ny hahita
ka nandao ny fihaviana
nihandrandra ny ho tafita
mba hahazo izay hiriana

Nifofotra, nikely aina
hahavita ny fianarana
ao aoriana mba tsy hangaina
ny ambony 'hany no tratrarina

Dia nahatozo zato izy
ka nandroso hatrany hatrany
Tsy mba sasatra na kivy
tany andafy no niafarany

Tsisy ngidy tsy nandramana
ahatonga lavidavitra
ny mpanana nalai-namana
amin'izay mba tena avotra

Dia nanohy fa tsy nijanona
mandra-vita ny ambony
misy aza ny nialona
nefa izany tsy nahoany

Dia tsy nijery tany aloha
fa ny ho avy zany ihany
Na ny havana ary toa
Tsy nojerena raha tomany

Dia nandroso izato taona
tonga saina fa irery
ireo vita zava-poana
tsisy olona mpijery

Antitra tsisy mpitodika
Tsisy ho avy ho jerena
Izy ihany no namotika
nohon'ny fitiava-tena


Monday,May 7, 2012
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1282 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 08/05/2012 00:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144