Sento (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
He misento lalandava
zato foko mitoreo
rahoviana no hisava
reto aloka indreo

ity alina mangitsy
tsy mitondra hafanana
eh ny tena toa tandrify
tsy mba misy hazavana

tena lavitra ny andro
eh mangidy tsisy mamy
aiza ihany ity masoandro
mba hamarana tomany

ny ranomasina manonja
tsy mba misy fandeferana
rahoviana vao ho tonga
ka ny lasa mba honerana

re ry foko o indrisy
zay miandrandra,ampanetrena
miandry fatratra mba hisy
ny mangiran'ho jerena

na dia lavitra tsy hita
tsy ho antenaina zato taratra
ry mangidy mba ho vita
ka ho tonga andro sambatra

hany sento no asandratra
manantena ny maraina
eny hinoako tsy hiangatra
mba tsy hody karakaina

ireto adidiko rehetra
Andriamanitra o ampio
mba tantano ka haefa
atsaharo ny tadio


june 8th 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Vavaka
1802 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 09/06/2012 02:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143