Tia aho (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny masonao izay mijery
dia manambara avy hatrany
Eny hita aho tsy ho irery
raha sendra ka tomany

raha ho tonga ilay sompatra
zay mianjady eto an-tany
mahatok' aho tsy hihongotra
ny fitiavanao; zay mamy

Eh mitsetra toa anjely
raha toa aho ka diso
Tsy manary velively
ra' tafalentika an-kizo

manetsetra raha marary
mitsangana anatin'ny alina
tsy mba konjo fa dia faly
raha tena vory lanina

zato hendrika sy bika
dia ampy hitiavako
fa lay tsiky misariaka
no tena tombony; hifaharako

na ny felam-bonikazo
tsy ampitahaiko aminao
fa vao mahita anao dia lavo
'ty fo potika zay resinao
--------
Rohy:
1638 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 15/10/2012 23:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146