tsy azoko tiavina (Zo-Maminirina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
kapoaka efa safomorona
no nandaozako azy izay
sarotsaro-dalana ihany
ny hiverin-dalana any
fa fo vato no niforona!
ny ambavafo no mihizihizy,
tsy azoko tiavina izy

taratro eny fa hoe neniny
ny hadalana vitany.
henoko aza fa hareniny,
hono, izay toko natongilany,
saingy hadinony f'efa ritrany
ny kapoakan'ny fitiavako.
k'aza tsiny re rahavako!
ny aty tsy kilalaon'ankizy
tsy azoko tiavina izy!


Zo-Maminrina
09/11/2008
(Ho setrin'ny "Tiavo izy" nosoratan'i A.R. Enesra, nantsain'i
Arikaomisa Randria tao amin'ny RDB)
--------
Rohy:
1518 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zo-Maminirina
Nampiditra : Zoom140268
Daty : 22/02/2012 09:25
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146