You are here: home > Vetso

Avereno i Mamanay - Zo-Maminirina

Avereno i Mamanay
(Tolom-bavaka ho an'i Hanitra)

Tondrozotra tokana tsy misy fanavahana
Ny lalambe mahitsin'ny fotoana fisarahana
Eny am-perin'ady, fa mitohy ny tolona,
Teo daholo ny olona.
Nefa ... tolom-bavakay ry Ray:
"Avereno i Mamanay!"

Zara-tanambokovoko
Mandrazoka am-babena
Ny zava-nofaritany
Kanefa dia tsy vitany,
"Angefa" koa natolony
Ho antsika olony
Ny fanohizana azy.
Nefa ...tolom-bavakay ry Ray:
"Avereno i Mamanay !"

Ny maso mihandron-drano?
Isika aloha no toko
Hanamasaka, handemena
Ny naketrika, nahandro
Ho an'ny firenena.
Saingy ... tolom-bavakay ry Ray:
"Avereno i Mamanay!"

Tsy nitaika intsony ny famantaranandro
Ka zary nibosesika
Ny ontam-po miretsika
Fa lasa i "Mamanay"
Dia mila voatsyhary
Amin-Janahary
Hoe : "Ry Tompo tia anay
Mba avereno ... i Mamanay!"

Zo-Maminirina
07 septambra 2009

Sokajy : Alahelo