Rehefa lasa i Neny (TSY RENDRIKA Spica)

Nantsain'i antsahoneywinner
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa lasa i Neny dia tsy misy intsony ho antsoina
Hitsena eny am-piantsonana rehefa tratra hariva
Dia ho tadidinao ilay findainao vonoina
Rehefa ianao ilay "mianatra" eny ambany ravinkazo
Ianao manao fanenjika anaty sahana mangahazo
Nefa milaza ho voatazona hanomampanadinana miaraka Amin ny namana

Rehefa lasa I Neny dia tsy misy intsony hiantsena
Hiady varotra akanjo ilay mahafatifaty anao nefa tsy takatry ny volany
Nampandafereny ny olany…
Fa ny hamalifaly anao no nataony lohalaharana
Hitovianao amin'ny namanao any ampianarana
Amin izay ianao tsy menatra dia mianatra tsara….

Rehefa lasa I Neny dia tsy misy intsony hihantana
Tsy misy hibedy anao rehefa manao adalana
Fa raha tsy mahay ianao dia midona Amin ny tolana
Any ampaniavana any
--------
Rohy:
222 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSY RENDRIKA Spica
Nampiditra : antsahoneywinner
Daty : 04/08/2023 16:42
Antsantononkalo
Nantsain'i antsahoneywinner
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154