Ireo Lolo (vasiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro tamin'izay LOLO iray,
namangy zaridaina vao maraina,
ka namonjy ity felan-draozy tsara paozy.
Tsy ratsy velively, tena kanto, mavokely.

Koa dia nonina tao nanorim-piainam-baovao,
fa mendrika sy kanto 'ty felana milanto.
Ilay raozy toy ny anjely, toy ny tsy halazo velively.
Iza no tsy haniry ity raozy vao mitsiry !!?

Ora iray taty aoriana dia indro lolo hafa ;
vao nahita dia sondriana ka nanandrana nitafa ;
nanambara sy namboraka izay mba tao am-pony :
dia ilay fitia te-hiantoraka eo ambonin'ity Vony.


Kinanjo anefa tsinininy, efa tara loatra.
Ilay toera(na)-nobanjininy, efa voavola tsara voatra ;
ity raozy vao mivelatra, efa babon'ity NGEZA.
Ô ry foko izay mitselatra, mitonia mahereza.

Nifandimby teny ny andro, fitambaran'ireo ora,
Ny hanadino ireo nahandro toa sarosaromora.
Nandry ilika nitolona niezaka hamaha ;
nomenatry 'ireo olona ka '(ha)nde hiova saha

Nivadika ny vohitra, tojo saham-bonikazo,
ilay alahelo tsy notohitra no toa nanjary vazo ;
Satria :
vao nitopy ny fijery ka niondrana nizaha
dia nahatsapa fa :
toa singa-manirery ilay vonin-dalià ;
naniry ihany koa ny hiharo namana
ka 'ilay fo nitovy roa no zary amboaram-piadanana.


vasiana - (RPZ) May 2013
--------
Rohy:
986 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vasiana
Nampiditra : andry112
Daty : 05/05/2013 15:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0274