Hafatra (vasiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao anefitro mangina,
dia niainga ny fanahy.
Ho an'ireo rehetra tiana,
no mapanoratra 'ahy.

Koa raha maty aho ralala !?
Dia ireto hafatro ireto,
no iangaviako anao handala,
tadidio ka raiketo.

Raha maty aho rankizy,
ka handao koa ny tany ;
aza miondrika na kivy,
atsaharo ny tomany.

Koa raha maty aho ralala :
Ireo nihafiako omaly,
aoka ianao hahalala,
fa tsy tiako raha mijaly.

Ireo rehetra niaretako
ny ngidimaron'ny fainana.
Hamafisiko sy apetrako !
tsy tiako hana-pitarainana !

Ireo nanolorako ny aiko.
Ireo niaretako ny ngidy.
Izy roa sombin'ny aiko ;
tandremo mafy sao hamidy
na hatakalo vola
raha safotry ny angola

ka

hohadinoina ho ambany
raha tojo teny mamy !?

Raha maty aho ralala
dia tandremo dia tandremo.
Aoka tsy hisy afaka hangala
ny fitiavako azy feno.

Fa na dia maty aho ralala
ka notoavinao ny momba ahy !
Dia tsy hisitaka aho tsy hiala
fa homba anao ny fanahy.

Raha sendra tsy mifankahazo
ka mivaona ireo zanako.
Aza itsitsian-drotsakazo.
Aoka 'ho fantany ny tanako.

Izaho rankizy raha mody
tsy maintsy hilaozako ny tany !
Tsy alahelo no hampody
izany fhalasako izany.
F'izao kosa anefa no izy :
« NY HO AVINAO NO IKIRIZO » !
Ilay nitondra sivy volana,
ilay nitaiza nanabe.
Aza omenareo olana
fa miezaha mihendre.
Aza atao kivazivazy
aza avela hibadabada.
Ny fahendrena asehoy azy
na dia tsy eo aza 'i dada.

Izany no anakasitrahiko,
ka raha toa ka to izany !
Hitahy hantrany ny fanahiko
ry sombin'ny aiko eto an-tany...

Koa raha maty aho rahavako :
ireo rehetra sombin'ny aiko,
ireo porofon'ny fitiavako
ireo rehetra nolalaiko !
Aoka kosa tsy havela,
handrotsa-dava ranomaso.
Na ho haingana na ho ela ;
alaviro azy ny ankaso.

Fa na dia maty aho rahavako,
ny vatan'izy ireo no izaho.
Aza avela hiseho ny fandavako,
raha toa ianao no hampitalaho,
hampitoloko an-dranomaso,
hampahory lava ny ao anaty,
handrangaranga hantrany ankaso
ireo navelan'ny maty !

Fa raha maty aho rahavako,
izao kosa no mba vavako
asandratro amin'ilay TSITOHA :
« Ny rehetra maty aoka hifoha,
raha tany ty k'ireo rantsako
no hirongoan'ny malaso.
Dia ity ventsoko ity antsako,
hitondra onin-dranomaso !

Fa na dia maty aho rahavana,
ka voatsinjo ireo taranako.
Hanambara toy ny avana
ny fiarovan'ireo tanako.
Hifandaminako ny anjely
ka homba anao ny fanahy.
Ireo mitetika hamely,
tsy maintsy hihemotra tsy 'ho sahy.
Ny maraina vao mifoha
raha mitetika 'ireo ratsy ;
ny fiarovan'ny TSITOHA,
no ampinganao sy vatsy.

Izay no hafatro RAHAVAKO.
Izay no ventsoko RALALA.
Izay no sentoko RANKIZY.
Fa hasandratro ny vavako,
ianareo mahalala ;
ka mitraka fa 'aza kivy...
RAHA MATY AHO RALALA !!!

vasiana - (RPZ) - Des 2011
--------
Rohy:
1140 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vasiana
Nampiditra : andry112
Daty : 05/05/2013 15:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165